<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G. Rund</author>
<hymn_number>281</hymn_number>
<title>Vory eto izahay hihevitra ny asanao FFPM281</title>
<lyrics>[V1]
 Vory eto izahay
 Hihevitra ny asanao,
 Tompo, manatreha anay
 Ka asehoy ny sitrakao.
 Aoka Hianao no mba hitarika
 anay
 Tompo, tahio izahay
 Mba ho voninahitrao ny
 asa vitanay.

[V2]
 Hahavita inona
 Ny saina aman-kevitray ?
 Tena tsinontsinona,
 Ry Tompo ô ! ny herinay,
 Ka mba midina eto afovoanay
 Hanana aina masina ny
 fivorianay !
 Tompo, tahio izahay ..sns.

[V3]
 Hianao no nanome
 Ny asa hoheverinay,
 Tena adidy lehibe
 No voatolotra anay,
 Enga anie ny sitrakao irery
 no hatao !
 Aoka tsy ho vanona izay
 tsy sitrakao !
 Tompo, tahio izahay ..sns.

[V4]
 Areheto aminay
 Ny afom-pitiavanao,
 Mba hahaizanay miray
 Mitory ny Anaranao,
 Hahavory marobe hanatona
 Anao,
 Hampamirapiratra ny
 voninahitrao !
 Tompo, tahio izahay ..sns.</lyrics>
</song>